SocialTatitra

Australie : Soavaly mpihazakazaka iray no nitsoaka ny toerana fiompiana azy, nanaitra ireo mpandeha tao amin’ny toeram-piantsonana

Tsy nampoizina ny zava-nitranga. Soavaly mpihazakazaka iray no nanaitra ireo mpandeha niandry fiaran-dalamby tao amin’ny garan’ny Warwick Frame, any ambanivohitr’i Sydney, Australie. Niditra ny lapihazon’ny gara ity soavaly ity ary nandeha irery namakivaky ny toerana narahina « trots » izay nahavariana ireo olona mpiandry fiaran-dalamby. Anisan’ny tranga nahatsikaiky tany an-toerana, raha ny voarakitra tao anatin’ny horonantsary azo tamin’ny « vidéosurveillance ». Mbola nisarona lamba ity soavaly nandositra ny toeram-piompiana azy ity, ary nivezivezy tao an-toerana nandritra ny 17minitra teo. Voatery natsahatra ny fitaterana an-dalamby nandritra izany. Fotoana fohy taorian’izay moa dia tonga ny tompony naka azy tao amin’ny gara ary nilaza fa vao herinandro teo izao no nisy mpangalatra tonga tao amin’ny toerana fiompiana ary namoaka ireo soavaly tao an-toerana. Anisan’ny tsy lasan’ireo mpangalatra ity soavaly iray ity.

Laisser un commentaire