MARAIS MASAY – Mpianatra nanao fanazarantena maraina no tratran’ny fanendahana
Rehefa nanao fanazarantena toy ny mahazatra azy ireto mpianatra telo miandahy ireto ny alahady tokony tamin’ny 4ora sy 45 maraina teo dia nifanena tamina dimy lahy mody miazakaza izy ireo, ka ny 2 mody nisongona azy ireo ary ny 3 nanambana antsy avy aoriana. Ireo 2 teo aloha nisava ny paosin’ireto mpianatra ka finday « foza » marika techno sy vola 4000 Ariary no teny amin’izy ireo.
Tezitra ireto olon-dratsy ka nanopa variraraka no sady nitsoaka nihazo ny lalana mivoaka ambodivona.
