Anjeva: Mitohy ny asa fampandrosoana ny tanàna ao amin’ny fokontany Ankadiefajoro
Mitohy hatrany ny fametrahana sy fanatsarana ireo foto-drafitr’asa ao amin’ny fokontany Ankadiefajoro, kaominina Anjeva gara. Taorian’ny fitsidihana nataon’ny ben’ny tanàna an-toerana, nandritry ny hetsika Ben’ny tanàna mitety vohitra, dia nangataka ny hanatsarana ny tetezan-kely ny mponina, araka ny voalaza.
« Taorian’ny fandalovana tao amin’ny vohitra Fiadanana sy Ankadiefajoro, fokontany Ankadiefajoro, araka ny fangatahan’ny mponina dia novaina béton ny tetezana hazo teo aloha fivezivezen’ny olona » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Ankoatra izay dia namboarina ny lalan-kely ho azon’ny mpandeha kodiaran-droa andehanana. Asa tsotra kanefa manala ny fahasahiranan’ny mponina ety ifotony » hoy hatrany ny fanazavana.
Miainga amin’ny asa fanatsarana tahaka izao ny fampandrosoana ety ifotony. Ny kaominina Anjeva gara dia anisan’ny manao ezaka amin’ny famaliana ny filàn’ny mponina, amin’ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa eny an-toerana.
