ActualitésTatitra

Comores : Efa nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny Cosafa Women’s U17 2022

Mpilalao 20 no nosafidian’ny mpanazatra Issa Ali Saifdine hiatrika ny fifaninana baolina kitra Cosafa Women’s U17 2022. Misy mpiandry tsato-kazo roa sy mpilalao an-kianja 18 izany. Raha tsiahivina dia hotontosaina ny 1 hatramin’ny 10 desambra izao ao Malawi io fifaninana io. Ao amin’ny vondrona B no misy an’i Comores izay hifanadrina amin’i Botswana sy Zambie.

Efa nandray anjara tamin’io fifaninana io i Comores ny taona 2019 sy 2020. Voatery niala an-daharana kosa izy ireo ny taona lasa teo nohon’ny valan’aretina covid-19. Eo amin’ny lafiny teknika kosa ho an’ity taona ity dia nampian’ilay mpilalao iraisam-pirenena Hassanati Halifa sy Charmane Combo ny mpanazatra Issa Ali Saifdine.

Laisser un commentaire