ActualitésTsidika

Fanombohan’ny fanondranana lavanila

Nanomboka ny 15 septambra ny fanokanana ny taom-panondranana ny lavanila voahodina raha toa ka nifarana ny 10 septambra lasa teo ny fandraisana taratsy fangatahana fankatohavana teo anivo’ny Minisitera misahana ny fanondranana entanan any ivelany.

Efa nisy ny fanaraha-maso nataon’ny teo amin’ny Minisiteran’ny indositria, ny varotra sy ny fanjifana mahakasika ny fanajan’ireo mpanondrana ny fepetra sy ireo fitsipika manoloana izany. 2 376 taonina amin’ny 3 000 taonina lavanila vokatra eto Madagasikara no ahondrana nandritra ity taona 2020-2021 ity.

Anisan’ireo mpamokatra lavanila maneran-tany i Madagasika, maro ireo mponina no mivelona amin’ny fambolena sy fanondranana izany, indrindra ny any amin’ny faritra SAVA. Tsikaritra tato ho ato ny fidinan’ny vidin’ny lavanila teo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena, izay tena mifanohitra tanteraka amin’ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena ankehitriny nandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra nataony.

Nisy vokatr’izany ny famarotana lavanila amin’ny vidiny ambany tokoa. « Mila fanaraha-maso mandrakariva ny fambolena lavanila, manomboka eny amin’ny tanim-boly hatrany amin’ny fikarakarana azy tonga lavanila voahodina. Tsy mora ny fambolena azy, mila finihavana sy faheretana tanteraka, fanampin’izany ny fiandrasana azy amin’ireo mpangalatra izay tena nirongatra tato ho ato » hoy i Fanilo, mpamboly lavanila. « Tsy mifanaraka amin’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny resaka fanondranana lavanila, raha ny fepetra takiana amin’ny fanondranana lavanila tsy tokony ho izao mihitsy ny vidiny fa tokony hiakatra avy roa na telo eny » hoy i Miary, tompon’andraikitra eo amin’ny orinasa mpanodrana lavanila.

« Tokony ampiharina ny vidin’ny lavanila raha ny didim-panjakana izay efa voafaritra ka neken’ny mpisehatra rehetra » hoy i Edgard Razafindravahy, Minisitry ny indositria, ny varotra sy ny fanjifana. Raha ny fanondranana lavanila no jerena dia tsy tokony ho voasokajy anaty firenena mahantra intsony i Madagasikara, raha mihatra ny vidiny izay tena ara-drariny dia hiakatra ny toe-karena Malagasy. Misy fanambakàna atao amin’ny mpamboly Firenena 29 maneran-tany no manokatra lavanila ka tsy mihena mitahy amin’izany i Madagasikara izay manana vokatra betsaka sy tsara azo ahondrana.

Tokony atao laharam-pahamehana ny fijerena ny vidin’ny lavanla eto Madagasika ho fitinjovana ireo mpisehatra rehatra manoloana izany, Mampiakatra ny taha’ny toe-karena eo amin’ny firenena iray ny fanondranana ataony, noho izy miteraka fifanakalozana ara-barotra no sady mampiakatra ny sandam-bola. Andrasana ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjaka amin’ny ampiakarana aingana ny vidin’ny lavanila ho porofo fa tsy kobaka am-bava fotsiny ihany ny fampanantenana natao tamin’ny fampielan-kevitra.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire