ActualitésTsidika

Efa nivoaka ny tetiandron’ny fitsarana miaramila ho an’Antananarivo Avaradrano

Mbola mitohy hatrany amin’izao ny fitsarana miaramila izay tokony ho ataon’ireo zatovo lahy sy vavy 19 hatramin’ny 31 taona. Mizara amin’ny toerana maro izany raha ho an’Antananarivo Avaradrano manokana.

« Adidy ho an’ny firenena ny fitsarana miaramila, tsy hoe ho lasa miaramila akory izay mitsara miaramila fa tokony ho ataon’ny tanora fotsiny ary Karapanondrom-pirenena sy penina manga » hoy ny jeneraly Roger Rasolonirina, mpitantana ny Fitaleavan’ny fanompoam-pirenena sy fiandry (DSNGR).

« Ny 15 sy 16 septambra no fitsarana miaramila ho an’ireo zatovo ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana sy Manandriana, Anosy Avaratra ary ny Kaominina Vilihazo ao Sabotsy Namehana raha toa ka ny 24-25 Septambra 2021, ao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely, ho an’ny kaominina Ankadikely-Ilafy sy Fiaferana » hoy ny tompon’andraikitra.

« Ny 22 sy 23 septambra 2021 izao kosa ao Ambohimangakely ho an’ny Kaominina Ambohimangakely sy Ambohimalaza ary Anjeva Gare raha hitsara miaramila » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely.

« Entanina ireo zatovo lahy sy vavy mba ho tonga hanatanteraka ny fitsarana miaramila mba hahazahoana ny karatra maitso hahafahana manao zavatra maro » hoy i Lova, tanora monina any Sabotsy Namehana. « Efa miandry mihitsy izao fivoahan’ny daty ho anay tanora aty Alasora » hoy i Jhemima, mponina any an-toerana. Marihina fa ny 20 Septambra izao kosa ny anjaran’ny Kaominina Alasora raha ny 21 septambra ny any Ambohimanambola sy Masindray izay ho atao any Ambohimanambola.

Betsaka ireo tanora efa nahavita ny fitsarana miaramila ary mbola mamporisika antsika hanatanteraka izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire