Anosy Avaratra: Manome sehatra ireo tia mandihy na te hianatra
Misy ny ivon-toerana manome sehatra malalaka ireo tanora na olon-dehibe liana amin’ny resaka dihy na mpankafia izany taranja izany ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Misokatra ary mandray ireo liana amin’izany ny ao amin’ny Akany Tsimoka Anosy Avaratra, amin’izao fotoana izao.
“Natao ho an’ny sokajin’olona rehetra mihitsy ny fampianarana mandihy ato an-toerana na efa mahay be na vao hanomboka, na tanora na olon-dehibe dia vonona hiara-handihy hampianatra ireo efa za-draharaha sy manana traik’efa amin’izany” hoy ireo tomponandraikitra.
“Isaky ny sabotsy no fotoana hifanomezana ao anatin’izany ary mora dia mora ny sara-pandraisana anjara. Mandritra ny ora 02 no mianatra mandihy. Misy ihany koa moa ny cours particulier ho an’ireo izay mila izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny taranja mahaliana ny tanora ny dihy kanefa vitsy ireo sehatra mampianatra izany na tsy takatry ny fahefa-mividy ny saram-pianarana. Marihina moa fa ireo dihy fanao amin’ny lanonana toa ny rumba, rock’n roll, tango, paso sy ny maro hafa ihany koa no hianarana ao anatin’izany.
Manitra R.
