Comores : Miomana amin’ny fandraisana anjara amin’ny Gymnasiades Rio 2023 sahady ny nosy
Tanora 10 mpisehatra eo amin’ny taranja lomano ao Comores no nandray anjara tamin’ny fifantenana voalohany ny Gymnasiades Rio 2023 na « Jeux scolaires U15 Rio 2023 ». Hontontosaina ny 15 hatramin’ny 23 aogositra izao ao Rio de Janeiro, Brésil io fifaninana io ary tanora latsaky ny 15 taona avy amin’ny firenena maro no handray anjara amin’izany.
Tanora 15 kosa no nanatontosa io fifantenana voalohany tao amin’ny hotely Le Coelacanthe tao Moroni io. 25 m « nage libre » no notontosan’ireo mpifaninana tamin’izany izay narahin’i Halifa Mlamali, filohan’ny federasiona ny taranja maso akaiky. Zazalahy antsoina hoe Indissar Roumli no nisongadina nandritra ny fifantenana izay nahavita 16’’78 ary mitana ny laharana voalohany, manaraka azy i Anfif Mohamed (17’’34), Mouslim Younoussa (19’’60), Ahmed Barouf (20’’32) ary Mounir Mbae (20’’65).
Ireo 5 voalohany tamin’io fifantenana voalohany ireo no handray anjara amin’ny fifantenana manaraka indray.
