Ankatso : Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso I sy II noho ny tsy fisian’ny rano
Dépêche 03 février, 14h, Efa amam-bolana maromaro izay no tsy nisy famatsiana rano intsony teny amin’ny tranon’ny mpianatra eny Ankatso I sy II ka izao nitokona izao izy ireo. Zary tsy misy miraharaha izahay ka ny tena mampitokona anay amin’izao dia raha maniraka maka rano izahay dia efa hatramin’ny 1000ariary. Maro be ny olana aterak’io tsy fisiana rano io. Nanolotra vahaolana kosa anefa ny ministera amin’ny alalan’ny « citerne » mpitondra rano hahafahan’ireo mpianatra misitraka izany. Etsy andaniny ny avy eo anivon’ny JIRAMA sy ny ministera dia efa miara-misalahy mikaroka vahaolana maharitra amin’izany.
