Alasora : Nahazo jiro manazava ny tanàna i Ampahibato
Mitohy hatrany ny fametrahana jiro hanazava ny tanàna ao amin’ny Kaominina Alasora. Nahazo ny anjarany koa ny tao amin’ny fokontany Ampahibato.
« Isaorana ny Jirama niara-niasa tami’nny fametrahana azy ity. Ho entina hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ity tetik’asa ity » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tena manjaka ny ratsy rehefa maizina. Isaorana ireo tompon’andraikitra nanome hazavana ho anay. Antenaina fa tena hanampy betsaka amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny fisian’izao » hoy i Albert, mponina ao Alasora.
Anjaran’ny mponina ety ifotony indray ny miaro sy mikojakoja ny fananana iombonana napetraky ny mpitondra. Tsara raha samy saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny tsirairay mba hisian’ny fandrosoana eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
