Chine : Mihena ny vidin’ny Bitcoin
Nahitana fihenany ny “cryptomonnaie” voalohany eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana. Efa nahatratra fihenana 30% ny Bitcoin tamin’ny alarobia. 39 587 dollars izy izao raha maherin’ny 55 000 dollars tamin’ny volana janoary. Lavitry ny tahan’isa ambony indrindra (-40%) 64 865,22 dollars ny cryptomonnaie ankehitriny. Tamin’ny horohoro no namarotan’ireo olon-tsotra na andrim-panjakana ny Bitcoin tao anatin’ny andro vitsy lasa izay. Noraran’ny manampahefana ao Chine mantsy ny andrim-panjakana ara-bola tany an-toerana hanao raharaha mifandray amin’ny “cryptomonnaie” ny talata 18 mey.
