Afrique : Mampiahiahy ny ONU ny tsy fahampian’ny vakisiny
Nilaza ny filan-kevitry ny fiarovana fa 2% monja amin’ny vakisiny maneran-tany no azon’ny kaontinanta. Nanamafy ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana ny omaly fa ilaina ny fanohanana an’i Afrika. Tokony hampitomboina ny fanampiana an’i Afrika manoloana ny ady amin’ny covid-19 indrindra amin’ny resaka vakisiny izay hita fa tena tsy ampy, hoy ity fikambanana ity. Tokony hisitraka sehatra manara-penitra sy azo antoka, mandaitra ary mora vidy ny olon-drehetra hiadiana amin’ny coronavirus, raha ny fanambarana. Manasa ireo firenena mandroso sy izay afaka mampiakatra ny isan’ny vakisiny azo antoka sy mahomby ho an’ny firenena ao Afrika izay mila izany ny filan-kevitry ny fiarovana mba hanao izany.
