Etats-Unis: Tsy nisy polisy voarohirohy tamin’ ny fahafatesan’i Andrew Brown
Nanapa-kevitra ny hanakatona ny fandihadihadiana mikasika ny fahafatesan’i Andrew Brown ny fitsarana amerikana. Lehilahy mainty hoditra iray, 42 taona, maty tao anatin’ny fiarany noho ny tifitra nataon’ny polisy nandritra ny fitsoahany ny fisamborana sy ny fanadihadiana mikasika ny fanondranana zava-mahadomelina i Andrew Brown. Misy resaka risoriso momba ireny herisetra ataon’ny polisy ireny indray ao Etas-Unis, any amin’ny faritra avaratry Californie. Tsy misy mpitandro filaminana voatazona amin’ity raharaha nahafaty an’i Andrew Brown Jr ity. Voamarina na dia mampivarahotsana aza ny nahafatesany, hoy i Andrew Womble, mpampanoa lalàna, nandritra ny valan-dresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Voalohany nanehoany hevitra imasom-bahoaka mikasika ny fomba fijerin’ny manam-pahefana ity tranga miteraka savorovoro any Etas-Unis ity izy. Araka ny nambarany, mpiambina 7 izay nomena didy fampisamborana ireo izay mifandray amin’ny fanadihadiana fanondranana zava-mahadomelina no nalefa teny Elizabeth City ny marainan’ny 21 aprily. Hita tao anaty fiara niantsona teo ivelany izy noho izany ary nohodidin’ireo polisy miaraka amin’ny baiko, miaraka amin’ny fanambanana fitaovam-piadiana ny mba hidinany.
