Andiam-balala : Tany mirefy 25 000 Ha no voaaro tao anatin’ny iray volana
Mbola miady mafy ny tompon’andraikitra amin’ny ady amin’ny andiam-balala. Tany mirefy 50 000 Ha no eritreretina ho tratrarina amin’ity ady kanefa dia mbola 25 000 Ha ihany no vita hatreto. Araka izany dia tsy maintsy hitohy amin’io volana mboy io indray izany ity hetsika ity.
« Any amin’iny faritra atsimo inyn no tena hiasana mafy satria avy any no nipoiran’ireto andiam-balala ireto tamin’ity indray mitoraka ity. Vinavinaina ho 50 000 Ha eo ho eo no vokasik’ity andiam-balala ity ka tsy maintsy hitohy ny ady hatao aminy satria dia vao ny atsasany ihany amin’izao fotoana izao no efa voaaro », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Raha tsiahivina dia nanomboka tao amin’ny faritra Androy (1014 Ha) sy Amoron’i Mania (7060 Ha), mamakivaky an’Anosy sy Atsimo Andrefana (3880 Ha) ka hatrany Ihorombe (1090 Ha), raha mamakivaky an’i Menabe (7320 Ha), faritra tena voa mafy ireo andiam-balala ireo.
« Efa misy ihany koa ny hetsika hiarovana dieny mialoha ny faritra mety hifindran’ireo valala ireo amin’ny alalan’ny famendrahana fanafody ny fambolena. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Fitovinany (200 ha), Matsiatra Ambony (1860 ha) ary Vakinankaratra (2142 ha) », hoy hatrany ny fanazavana.
Paik’ady napetraky ny Ministera ny fampiasana ireo angidimby hanaparitahana ireo fanafody, eo ihany koa ny famendrahana tsotra ny fanafody hafa hataon’ireo tompon’andarikitra. Tsy latsa-danja tamin’izany ary mbola miasa hatramin’izao ilay laharana maitso, antsoina maimaimpoana ahafahana mamonjy haingana ireo toerana ahitana andiam-balala.
Laharana Maitso : 0 33 65 111 11
Miora Raharisolo
