Dépêches

Ambatondrazaka : Hisitraka fanampiana ireo tantsaha manana voly simban’ny avandra

Dépêche 30 mai, 12h, Vokatry ny avandra be izay nirotsaka saika nanerana ny Nosy ny 25 mey teo dia niharan’izany ihany koa ny varin’ireo tantsaha tao Ambatondrazaka. Ireo vary ireo izay efa tokony nojinjaina no izao ravan’ny avandra izao. Tanimbary amina hekitara maro no simba tamin’izany. Araka izany dia tsy niotazam-potsiny ny fitondram-panjakana fa hitondra fanampiana ho an’ireo tantsaha ireo. Hanolotra masomboly ho azy ireo ny fitondram-panjakana, hojerena manokana ihany koa ny mahakasika ny fifanarahana amin’ny famerenam-bola any amin’ny banky ho an’ireo mpamboly ireo.

Laisser un commentaire