Dépêches

Analavory : Voasakana indray ny Kongresim-paritry ny antoko TIM ao an-toerana

Dépêche 30 mai, 12h30, Toy ny mahazatra ny antoko Tiako I Madagasikara dia manatanteraka ny Kongresim-paritra hatrany izy ireo. Ao Analavory ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana miaraka amin’ny ekipany hanatanteraka izany amin’izao fotoana izao. Voasakan’ireo mpitandro filaminana indray anefa ny tenany amin’izany hetsika izany. Nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanaraka ity antoko ity.

Laisser un commentaire