Hand Ball : Tompondakan’i Afrique tamin’ny IHF Trophy Dames Zone 6 ny Akio
Dépêche 30 mai, 13h, Tompondakan’ny Afrika tamin’ny lalao IHF Trophy Dames Zone 6 ny Akio zokiny sy zandriny vehivavy. Natao tao Johannesbourg ity lalao ity izay nitondra ireto ekipa ireto hiatrika ny lalao IHF Trophy Continental. Ary ity farany kosa izay lalana handehanana ho an’ny IHF Trophy Intercontinental. Efa tonga eto an-tanindrazana izy ireo amin’izao fotoana izao ary efa hanomana indray ireo lalao manaraka ireo afaka fotoana vitsivitsy.
