ActualitésTsidika

Anjeva : Hetsika ara-pilazan-tsara no nankalazaina ny alatsinainin’ny pantekoty

Nisy ny hetsika ara-pilazan-tsara nentina nanamarihana ny andron’ny alatsinainin’ny pantekoty tao amin’ny kaominina Anjeva gara. Mpankanto ara-pilazan-tsara maro avy ao an-toerana no nandray anjara sy nadravaka ny seho nandritra izany. Afa-po ny mpikarakara, araka ny voalaza.

“Tsy hay ny tsy hanolotra fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra tonga nanontrona sy nandray anjara tamin’ny hetsika ara-pilazantsara tsy mialon-jafy nokarakarain’ny fiangonana FJKM Antanetibe. Tsy ho voatanisa avokoa ireo nanohana na ara-bola na ara-pitaovana na tamin’ny herin-tsandry, tamin’ny torohevitra sy ny vavaka” hoy ny mpitandrina ao an-toerana.

“Hisaorana ihany koa moa ireo fiangonana kristianina teto an-toerana tamin’ny fifanomezan-tanana. Nisy ny lesoka sy tsy tanteraka teo amin’ny fotoana, ny fitaovana ary ny fandaminana fa ezahina ny hanarina izany amin’ny manaraka” hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa ny fiangonana FJKM Antanetibe Fandàna Ziona Fahazavana Anjeva no nikarakara sy nanolotra ity seho ity. Sady niala voly no nahazo aim-panahy ireo mponina nandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire