Ambohimalaza: Manomboka miparitaka ireo fako
Miparitaka ireo fako ao amin’ny fokontany Andranonahoatra, kaominina Ambohimalaza. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra ireo mponina ao an-toerana, hijery sy handray fepetra mahakasika izany.
“Olana lehibe ho an’ny ety anivon’ny fokontany ny resaka fako, rehefa tsy misy ny tetikasa na ny foto-drafitr’asa entina mandrindra sy mandamina ny fitantanana ny fako. Ny fako anefa tena manimba sy manome endrika ratsy ny tanàna” hoy i Nekena, mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
“Tsy tokony hiandry tomponandraikitra na ben’ny tanàna vao afaka hanana toerana madio sy milamina. Ny fiaraha-mientan’ny mpiara-monina no zava-dehibe ary ilaina ny fametrahana lalàna na fitsipika hifampifehezana ao anatin’izany satria ny mponina no mampisy ny fako fa tsy ireo tomponandraikitra” hoy i Aina, mponina ao Ambohimalaza.
Fifampitaizana no ilaina eny amin’ny fiaraha-monina raha tiana hisy ny filaminana sy ny firindrana. Anjaran’ny tomponandraikitra ksoa anefa no mametraka ireo tetika’asa sy rafitra hisian’ny fandaminana. Mila mifameno ny asa eny amin’ny fokontany raha tiana ny hisian’ny fampandrosoana.
Manitra R.
