Maurice : Iza moa i Sandra Mayotte ?
Mpanolotra sady mpanentana fandaharana ao amin’ny « Mauritius Broadcasting Corporation» i Sandra Mayotte. Efa tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 izy no nisahana izany andraikitra izany.
Mpihira « séga » ihany koa ny tenany izay manana ny lazany aty amin’ny ranomasimbe indianina. Tao amin’ny tarika Cassiya indray no niandohany teo amin’izay sehatra izay, nanomboka ny taona 1998. Efa voafidy mpanakanto mendrika indrindra taty Afrique de l’Est izy ny taona 2001 nandritra ny Kora Award.
Mpanao politika ihany koa i Sandra Mayotte, mpikambana ao amin’ny antenimieram-pirenen’i Maurice.
