Lojy : Ferana ho 2 900 Ar isaky ny Kilao
2 900 Ar isaky ny kilao no vidy farany ambany ividianana ny lojy eny amin’ny mpamokatra. Nisy mantsy ny fiadian-kevitra tao amin’ny CCI Mahajanga Be ny ho vidin’ny lojy farany ambany eny amin’ny tantsaha.
« Tapaka fa ferana ho 2 900 Ar izany amin’ity taom-piotazana 2022 ity. Nisy fidinany ny vidin’ny lojy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra. « Manaiky izany izahay. Tsy hiantoka kosa ny tsy maintsy hividianana ny vokatry ny tantsaha raha tsy mahazo tombony amin’ny fandraharahana izay ataony » hoy ireo mpanondrana.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto amintsika tokoa ity fanondranana Lojy ity. Tsara raha ao anatin’ny mangarahara hatrany no hanatanterahana izany.
Nicole Rafalimananjara
