ActualitésTsidika

Analamahintsy : Tovovavy iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana

Tovovavy iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny alarobia 31 aogositra lasa teo tao Analamahitsy. Tsiahivina fa vao tsy ela ihany koa no nisy ilay tovavay roa tra-doza. Marihina moa fa nandeha moto ity tovovavy ity ary tsy nisy namana izy fa nandeha irery. Tsy hay mazava ny tena antony nampisy ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny aina nafoy, fa ilay tovovavy irery ihany no naratra, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy.

« Malaza ratsy ny moto, ary matetika miteraka lozam-pifamoivoizana, indrindra eto an-dRenivohitra, tsara ny fanampahan-kevitra noraisin’ireo mpitandro filaminana hoe tsy maintsy manana fahazon-dalàna avokoa vao afaka mitondra ireny » hoy ny tompon’andraikitra mahakasika ny fifamohivoizana. « Tsy voatery ireo mpitondra moto irery ihany no antony miteraka ny loza fa ny tsirairay avy mihintsy no mila mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza mety hitranga » hoy ireo fianakavian’ilay tra-doza. « Miankina tanteraka amin’ny ireo olona rehetra mampiasa ny lalana ny loza mety sy tokony hitranga ka mila mandray ny tandrify azy ny tsirairay mba hisorohana ny toy izao » hoy i Fidy mpampianatra mahakasika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Mila mitandrina hatrany ary hiangaviana mba hanaraka ireo fepetra takiana ho amin’ny fifamoivoizana ny rehetra.

#sary fanehoana

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire