ActualitésTatitra

France : Hotontosaina ny volana oktobra izao ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny billard

Mpifanina maherin’ny 500 avy amin’ny firenena maro eran’izao tontolo izao no andrasana ao Albi, France ny volana oktobra izao, hiatrika ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny « billard » sy « blackball ». Hanomboka ny 15 oktobra ny fifaninana ary haharitra herinandro izay tombontsoa lehibe ho an’ny hotely sy ny sehatra ara-barotra ao an-toerana. Ao amin’ny « parc des expositions » kosa no toerana hanatanterahana izany.

Sehatra iray mampamiratra ny frantsay sy ny mponin’i Albi ny taranja « billard ». Izy ireo no nahazo ny anaram-boninahitry ny tompondaka eran-tany roa farany izay nahita mpilalao avy ao Albi telo. Tsy izany antony izany nefa no nahatonga ny federasionina frantsay nisafidy ny toerana hampiandranoana ny fifaninana. Ny fahaiza-mikarakaran’izy ireo no anton’izany raha ny fanazavan’izy ireo. Marihana mantsy fa tao an-toerana no nanatontosana ny fiadiana ny ho tompondakan’i France sy ny « coupe de France » taranja « billard ».

Laisser un commentaire