Maurice : Tafiakatra RS 47,05 ny sandan’ny 1 Dollar
Tafiakatra RS 47,05 ny sandan’ny 1 Dollar ny 8 martsa teo. Sanda ambony indrindra hatramin’ny taona 2003 izany raha ny fanazavana. Midika io fiakarana io fa hisondrotra ihany koa ny vidin’entana hoy ny tompon’andraikitra. Niakatra ihany koa ny sandan’ny Euro. Tafiakatra RS 50 izany ny andron’ny 8 martsa teo ary tonga 50,23 omaly 9 martsa. Ho an’ny livre sterling kosa dia mahatratra RS 56,67 izany.
Na izany aza mbola firenena isany matanjaka ara-ekonomika aty Afrique i Maurice. 70,6 ny naotin’ny fahalalahana ara-toekarenany tamin’ity taona 2023. Midika izay fa firenena faha-26 malalaka ara-toekarena indrindra eran-tany aorian’i Etats-Unis izy raha ny tatitry ny Heritage Foundation. Uruguay kosa no mitana ny laharana faha-27 aoriany.
I Singapour kosa no mitana ny laharana voalohan’io filaharana io, arahin’i Suisse, Irlande, Taiwan ary Nouvelle-Zélande. Maurice kosa no laharana voalohany arahin’i Cabo Verde, Botswana, São Tomé et Príncipe ary Côte d’Ivoire raha ho an’i Afrique subsaharienne.
