ActualitésTsidika

ONG AFFAMI : Nankalaza ny 08 Martsa tamin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Betsaka ny fikambanana nankalaza ny 08 Martsa, nanantanteraka hetsika samy hafa entina nanamarihana ity andro natokana hoan’ny vehivavy ity.  Anisan’izany ny ONG Andry Fanabeazana sy FAnarenana MIrindra (AFFAMI) izay nanamarika anizany tamin’ny fizahana maimaimpoana  ny tosi-drà sy ny tahan’ny diabeta . Notantarehana tao amin’ny fokontany Ambodihady , Kaominina Ambohimanarina, ny hetsika. « Ny zavatra nosafidianay dia nanao fizaham-pahasalamana maimaim-poana hoan’ny vehivavy , tsy voatery hoe vehivavy fotsiny fa hatramin’ny lehilahy koa ary. Nanao ny fijerena diabeta sy tosi-drà. Misy koa ny fizarana toro-hevitra amin’ny fomba tokony atao hahatratrarana ny faha-100 taona ny olona iray. », hoy i Raherisoa Vololona Victorine, filoha mpanorina ny fikambanana AFFAFI.

Tanjona tamin’ity hetsika ity ny fanampiana ny olona mba hanaraka tsara ny toe-pahasalamany. Misy ny olona eny amin’ny fokontany no tsy manana fahafahana hanaramaso ny toe-batany. Ity hetsika ity dia manasongadina ny lanjan’ny fahasalamana eo amin’ny fiainan’ny olombelona. « Mizara ny toro-hevitra rehetra izahay mikasika  ny fahasalamana. Misy ihany koa ny fanomezana torolalana mikasika ny fanafody sy ny fomba fitsaboana natoraly. », hoy hatrany ny fanazavan’ny filoha. Anisan’ny himasoan’ny fikambanana ny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, voasokajy anatin’ny olana amin’ny fiarahamonina ny tsy fahafantarana ny aretiny. Betsaka ny olona no mbola misalasala manantona dokotera. Napetrakan’ny fikambanana ho tanjona noho izany ny hisitrahan’ny olona tsirairay fizaham-pahasalamana, mba entina hitsaboana ny olona izay manana aretina.

Nisy ny fiarahana misalahy miaraka amin’ny  sehatra samihafa amin’ny  fanantaterahana ny hetsika, toy izany ny fiarahana miasa amin’ny dokotera Yves Raveloson. Tonga nanatevina ny fikambanana ihany koa ireo  mpianatra tao amin’ny U-Magis Saint Miche,l Amparibe. « Mahaiza miaina mba ho ela velona », hoy Yves Raveloson, dokotera. Tokony haharitra ho ela velona tokoa isika raha mahay mikajy ny fahasalamana. Ilaina ny mikolokolo tsara ny fahasalamana mba haharitra ny andro iainana. Ny fanarahana ny toro-hevitrin’ny mpitsabo no tena tsara raha  liana ny  ahafantatra ny toe-pahasalamana Tsy tokony hisy intsony ny olona hanao dokotera tena, tokony hanantona tobim-pahasalamana foana ny olona Nanamafy izany moa ireo mpianatra avy amin’ny U-magis Saint Michel, Amparibe, anisan’ny nandray anajara mavitrika tamin’ny fanentanana sy fanamasahana ny hetsika.

Erwan Ran

Laisser un commentaire