ActualitésTsidika

Anosy Avaratra: Hisy ny hetsika fanaovam-baksiny

Misy ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ny zaza sy ankizy latsaky ny 15 taona ao amin’ny kaominina Anosy avaratra. Nanomboka omaly talata 14 may izany ary tsy hifarana raha tsy ny 17 may 2024, araka ny voalaza.

« Entanina ireo voakasika, indrindra ny ray aman-dreny mba hanatanteraka ny fanaovam-bakisiny miaro amin’ny polio na lefakozatra ity. Izany moa dia amin’ny alalan’ilay vaksiny atete am-bava » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Mbola maro ireo aretina miseho noho ny tsy fahafenoan’ny vaksiny. Mila tanterahina hatramin’ny farany ireny satria iny no hery fiarovana entin’ny zaza sy ny ankizy miady amin’ny karazan’aretina » hoy i Aina, mpianatra mpitabo.

Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ao anatin’ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Manana adidy araka izany ny tsirairay amin’ny fampatsiahivana sy fanentanana fa indrindra ny fampahafantarana ny mahazava-dehibe ny fanaovana vaksiny.

Laisser un commentaire