Corée du Sud : Niakatra ny tahan’ny zana-bola
Nanambara ny banky foibe an’i Corée du Sud ny alakamisy teo fa niakatra ny tahan’ny zana-bolan’izy ireo. Firenena voalohany amin’ireo firenena matanjaka ara-toe-karena maneran-tany nahavita nampiakatra ny zana-bolany tao anatin’ny valan’aretina izy. Nampiakatra ny taha fototra ho 0,75% izy tao aorian’ny fivoriana ara-politika tao amin’ny firenena raha 0,5% nanomboka ny volana mey teo.
