PolitiqueTsidika

Mila mpitondra mahaino mihaino sy mamaha ny olany ny vahoaka

Nidina ifotony nihaino ny hetaheta sy ny olana hatrehan’ireo mponina amin’ny andavanandro ny Solombavambahoaka Seth Rajoelina teny amin’ny fokontany Ambatomainty.

Nanolotra fitaovana hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana izay nampikaikikaiky ny olona izy toy ny jiro fitondra manazava sy kiririoka ary ihany koa baolina hanomanan’ireo tanora ny lalao hokarakarainy tsy ho ela. « Fantatro fa mila fanampiana ny vahoaka, nitondra izay azoko nomena aho ho an’ny Biraom-pokontany hikarakarana ny taratasintsika fokonolona ihany ary ho asiana jiro hanazava eto amin’ny alina izay miisa 20 » hoy ny solombavambahoaka, Seth Rajoelina.

« Isan’ny tena mampiavaka anay ny ny resaka « poterie » ka hisy ny solontena hiofana any Antsirabe mahakasika ny fanamboarana vazy sy ny vilany izay tohanan’ity solombavambahoaka ity » hoy ny sefom-pokontany Ambatomainty. « Miainga amin’ny fampandrosoana anay vahoaka ihany ny fampandrosoana ny firenena, ary ny fitrandrahana ny eo am-pelatanan’ny vahoaka no vahaolana voalohany » hoy i Feno, tanora mpandraharaha teny Ambatomainty.

Miainga amin’ny talenta sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao tokoa ve ny fandrosoana ? Ny fihainoana ny vahoaka izany no tena zava-dehibe ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire