Alasora : Mpisandoka ho zandary indray no tratra
Malaza mihitsy ny resaka fisandohana ho mpitandro filaminana ao Alasora Avaradrano ao. Raha vao ny 25 aogositra teo no nisy mpisandoka ho polisy dia tratra indray izao ny mpisandoka ho zandary izay niisa roa.
« Mahazo angom-baovao matetika izahay fa misy jiolahy miisa roa izay mitonona ho mpitandro filaminana manendaka izay mpifankatia sendra mampiaraka eo amin’ny toerana mangingina antsoina ho Ambohitrandriananahary akaikin’ny Rova ao Alasora Antananarivo » hoy ny zana-tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena eny Alasora. « Tra-tehaka tao anaty ala kesika ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy poleta fanairana raha tafaporitsaka ny iray ka nokarohanay sy ny zandary ary namany hafa ihany koa no hita fa ilay tafatsoaka tsy tratra » hoy i Celestin, mponina teny an-toerana.
« Mitonona sy manizingizina mihitsy izy ireo fa tena mpitandro filaminana no sady mampiseho ilay basy izy ireo, voatery manaiky ho azy ny hanome izay misy aty aminay izahay ka lasa ny finday sy vola, mbola miampy fandrahonana raha mitady tsy hanaiky » hoy ny mpikafantia iray isan’ny lasibatra. Ny tena mampalahelo aza, nisy ihany koa ireo vehivavy nasain’izy ireo nanala akanjo sy voatsapa teny amin’ny faritra mahavehivavy sady nanaovan’izy ireo resaka sy fihetsika mamoafady. Notanana vonjimaika eny Antanimora ireto jiolahy tratra ireto ary miandry ny fotoam-pitsarany.
Rehefa mpitandro filaminana ve izany dia tsy maintsy atao mampatahotra kanefa hiaro no tanjon’izy ireny ? Nahoana ny fisandohana ho zandary no atao biby ampitahorana ?
Nicole Rafalimananjara
