ActualitésTsidika

Fitsidihana nataon’ny Delegasiona ONUDI : Manohana ny ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana

Nanao fitsidihana am-panajana an’ny Ministry ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, Ladislas Arien Rakotondrazaka ny delegasionan’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement de l’Industrie) izay notarihin’i Vola Rakotondrazafy Andriatahina, solontena eto Madagasikara ny Alarobia 25 Aogositra 2021.

Nifantoka kokoa teo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny Rano sy ny Fanadiovana amin’ny alalan’ireo tetikasan’ny ONUDI sy ny paikady hanatsarana ny sehatra izao fihaonana voalohany izao. Nibahana tamin’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta ihany koa fampiroboroboana ny tetikasa famokarana herinaratra, indrindra ny mikasika ny faharetan’ny loharano amin’ny alalan’ny fitantanana iombonana mifandraiky amin’ny fiovan’ny toetrandro. Noresahina ihany koa ny fidirana amin’ireo ambaratonga fototra amin’ny fotodrafitrasa ary ny fametrahana sy ny fampandrosoana ireo fotodrafitrasa indostrialy izay mitaky fitaona izay manraha ny fepetra amin’ny fampandrosoana izany.

Ankoatra izay, niresaka momba ny fiofanana ho amin’ny fampandrosoana ny fahaiza-manao ara-panjakana, fanavaozana ary fifaninana hoan’ireo mpisehatra amin’ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana. Nanamafy ny Ministry ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, Ladislas Adrien Rakotondrazaka sy ny solontenan’ny ONUDI fa tokony hisy fiantraikany ny fiofanana amin’ny fampivoarana ny fampandrosoana maharitra amin’ny sehatra rehetra.

Mifantoka amin’ny fampivoarana sy ny fahaiza-manao manomboka amin’ny fiofanana arak’asa ka hatramin’ny fandaharan’ny fanofanana momba ny fandraharaharana ny fidirana an-tsehatra maro ataon’ny ONUDI. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara izy ireo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire