SocialTsidika

Manana ny anjara toerany lehibe ny mpanabe.

Anisan’ny asa sarotra ny sehatry ny fanabeazana. Andraikitry ny mpanabe ny manolokolo sy mampita fahalalàna ho an’ny mpianatra. Mila fandavan-tena lehibe tokoa ny sehatry ny fampianarana. Tsy mora ny namerina indray ny sain’ny mpianatra hifantoka amin’ny fianarana taorian’ny fotoana lava tsy nahatongavana tany an-tsekoly vokatry ny covid-19. Niteraka voka-dratsy ho an’ny mpampianatra ihany koa anefa ireny fotoan’ny fihibohana ireny noho ny fahatapahan’ny asan’izy ireo. Misy amin’izy ireny no tsy nandray fanampiana manokana avy amin’ny fanjakana ka voatery nisedra irery ny fahasahiranana tamin’ny fihibohana. Izany indrindra no nanapahan’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hevitra ny amin’ny hamatsiana ara-bola azy ireny indray. Kendrena manokana ireo mpampianatra milatsaka an-tsitrapo eny anivon’ireo liseam-panjakana. Izy ireny izay mbola tsy mandray karama isam-bolana avy amin’ny fanjakana. Omen’ny minisitera vola mitentina 300 000 ariary izy ireo araka izany mba ho fanampiana azy. Ankoatra izany, mampitaraina ny mpampianatra FRAM ihany koa ny fahakelezan’ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Nanolotra sosokevitra ny amin’ny hanomezana fiofanana azy ireo aloha ny minisitera mandrapahatongan’ny fotoana handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Mpampianatra miisa 15 000 no omena fihofanana ato anatin’ny telo taona misesy. Tsy ny misehatra eo anivon’ny fanjakana ihany anefa no tokony hahazo ny fanampiana fa mila fijerena manokana ny eny amin’ny tsy miankina izay samy nisedra olana vokatry ny valan’aretina covid-19. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire