SocialTsidika

Fitaratra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana ny OMSI.

Ankoatra ireo toeram-pitsaboana eny amin’ny fanjakana, miezaka manatsara ny tonton’ny fitsaboana ihany koa ny sehatra tsy miankina. Iankian’ny ain’ny marary tokoa izy ireny ka tsy tokony atao latsa-danja ny fitaovana sy ny fikarakarana, indrindra ny fandraisana an-tanana. Manome lanja izany ny sehatry ny fitsaboana iray izay tsy miankina amin’ny fanjakana. Miezaka manao izay hampandroso izany indrindra ny ”Organisation Medico-sociale Interprofessionnel” na ny OMSI. Orinasa miorina any Toamasina, misahana ny fahasalamana ny OMSI. Ataon’izy ireo vaindohan-draharaha ny fandraisana an-tanana ireo marary. Mampiasa olona miisa 185 ny OMSI ka mpitsabo sy mpitsabo mpanampy ny 59 amin’izy ireo, raha toa ka misehatra eo amin’ny lafiny teknika sy fitantanana kosa ny ambiny. Himasoan’izy ireo ny fanatsarana ny zavatra ataony, eo ihany koa ny fanamboarana paik’ady ho fanatsarana izany. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa tonga any amin’ity toerana ity. Misy orinasa maro ihany koa mifampiraharaha amin’izy ireto, ka mandray mpiasa eo anivon’izy ireo. Loha-laharana teo amin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny OMSI ny taona lasa teo. Izany indrindra no nanapahan’ny filoha tale jeneraly hevitra fa hiezaka hanao ny fanatsarana rehetra izy ireo. Anisan’ny efa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy ireo araka izany eo anivon’ny sampan’asa efatra misy ao aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsaboana ny zaza sy ny ankizy sy ny toeram-pampiterahana. Hitohy hametraka toeram-pandidiana lehibe ho an’ny vehivavy misedra fahasarotana eo am-piterahana ihany koa ny OMSI araka izany. Mbola zava-dehibe amin’ity orinasa ity ihany koa ny fanavaozana ireo fitaovana samihafa toy ny fiara mitondra marary, ny fitaovana fitiliana maso, sy ny fitarafana na ny (échographie). Izany rehetra izany no natao mba hisian’ny fandrosoana ara-pahasalamana, ary ihany koa mba ho fitaratra ho an’ireo toeram-pitsaboana samihafa.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire