ActualitésTsidika

Namboarina ny EPP Andrononobe

Namboarina sy nolokoina ny efitrano fianarana ao amin’ny EPP Andrononobe Ankadikely Ilafy izay hita fa tena simba tokoa kanefa efa hanomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ny mpianatra.

Nomena endrika ihany koa ny toerana fakan-drivotra mba hanana endrika mahafinaritra. « Miara-mientana hatrany isika ho any amin’ny fahombiazana, efa nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevitra ny hanavaozana indray ny EPP eto Andrononobe ka tsy maintsy iantsorohan’ny kaominina Ankadikely Ilafy » hoy ny Ben’ny tanàna, Rija Rajaonah. « Isan’ny hery lehibe hampazoto ny ankizy hianatra ny fahatsaran’ny trano fianarana, na izy ireo mianatra aza dia mahazo aina tsara » hoy ireo mpampianatra nankasitraka ny ezaka fanatsarana ny toeram-piasany. « Mankasitraka ny ezaka ataon’ny kaominina izahay ary hirariana mba hahay hikolokolo izany trano izany ny mpianatra sy ny mpampianatra » hoy i Tovo, ray aman-drenin’ny mpianatra.

Ny fanabeazana tokoa no fototry ny fandrosoana, hirariana mba hitombo fahaizana hatrany ireo mpianatra manovo fahalalana ao. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire