Nahazo fitaovam-pitsaboana ny Hopitaly ao Mahitsy
Nanolotra fitaovam-pitsaboana hoan’ny Hopitaly ao Mahintsy ny masoivohon i Chine eto Madagasikara sy ny fikambanan’ireo mpizatrasa sy mpianatra taloha an i Chine ny Alakamisy 26 Aogositra 2021 teo. Izany fitaovam-pitsaboana izany dia nahitana, milina fitaovam-pisefoana (respirateurs) miisa 4, « concentrateur d’oxygène » miisa 4, fitsapana mari-pana amin’ny handrina miisa 10, arovava fandidiana miisa 2000 ary arovava KN95 miisa 500.
« Ny hopitaly Mahitsy dia vavolom-piaraha-miasa amin’ny fiaraha-miasa maharitra Sino-Malagasy, sy ny finamanana lalina misy eo amin’ny firenentsika roa. Amin’ny maha Ambasadaoro sinoa ahy eto Madagascar dia manana andraikitra sy adidy aho ny hanoratra toko vaovao amin’ny tantaran’ny fiaraha-miasa ara-pitsaboana eo amin’ny firenentsika roa. » Hoy hatrany i GUO Xiamei, masoivohon i Chine eto Madagascar.
Tamin’ny lanonana nanomezana izany dia nankasitraka ny anjara andraikitra raisin’ny Hopitaly Mahintsy amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy sy ny sinoa. Nanmbara ihany koa ny Tale ny Hopitaly Mahintsy, Hery fa mankasitraka tanteraka ary misaotra ny masoivohon i Chine amin’ny fanomezany ireo fitaovana ireo izay tena ilain’ny Hopitaly. « Mankasitraka an’ny Ambasadaoro Guo Xiaomei aho ary mitondra fisaorana amin’ny anaran’ny tenako sy amin’ny anaran’ny Hopitaly Mahintsy aho. Manantena aho fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa sy ny firahalahiana eo amin’ny firenena Malagasy sy sinoa » hoy hatrany ny Talen’ny Hopitaly.
Sitraka Rajaonarivony
