ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Zokiolona miisa 400 mahery no nahazo solombodiakoho

Tao anatin’ny fety fankalazana nny asaramanitra tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, zokiolona manodidina ny 400 isa no notolorana solombodiakoho. Ny vadin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana no nanolotra izany, araka ny voalaza.

« Anisan’ny nanamarika ny fetin’ny asaramanitra ny teto amin’ny kaominina. Maro ireo seho nitranga izay nanomboka tamin’ny fizarana solombodiakoho sy vatsy ho an’ireo zokiolona manerana ny fokontany 18, miisa 400 mahery » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Fisaorana lehibe no atolotra ny vadin’ny ben’ny tanàna tamin’ny fitiavana nasehony niaraka tamin’ny ankohonany. Zava-dehibe ho anay zokiolona tokoa ny fanohanana sy ny fanampiana tahaka izao » hoy i Solo, zokiolona.

Manamarika ny fetin’ny fahaleovan-tena tokoa ny fanomezana solombodiakoho ny zokiolona. Anisan’ny fitazonana ny soatoavina Malagasy no fanomezana haja azy ireo ihany koa moa izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire