France : Mpampianatry ny ambaratonga fototra iray no naka sary ny mpianany tao anaty toeram-pidiovana
Mpampianatra ao amin’ny ambaratonga fototra iray no voasambotra tao Bordeaux. Raha ny fanazavana dia naka sary mpianatra vitsivitsy tao anaty toeram-pidiovana io mpampianatra 52 taona io. Tao amin’ny bassin d’Arcachon no niseho ny tranga rehefa nanao fitsangatsanganana ireo mpianatra kilasy CM2 tao amin’ny sekoly Saint-Genès La Salle. Mpianatra efatra no nilaza tamin’ny ray aman-dreniny taorian’izany fa nalain’ny mpampianany sary avy teo ambaravarana izy ireo rehefa tao amin’ny trano fidiovana.
Manoloana ny tranga dia nametraka fitoriana ireo ray aman-dreny ary noraisan’ny lefitry ny fampanoavana ao Bordeaux, Rachel Bray an-tanana ny raharaha. Nilaza io tompon’andraikitra io fa herisetra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona latsaky ny 15 taona, « voyeurisme » amin’ny zaza tsy ampy taona ary fiazonana sary pédopornographique no hiampangana io mampianatra io. Marihana fa efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny tenany.
