ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Niavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena

Niavaka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Tahaka ireo tany amin’ireo kaominina hafa, dia nanana ny fankalazany izany ihany koa ny kaominina, niaraka tamin’ireo mponina ao an-toerana.

« Hazakazaka niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra teto an-toerana sy ireo zandary, ireo avy amin’ny sampampianarana, fikambanana ary mpanao fanatanjahantena, no nanokafana ny fankalazana ny fetim-pirenena teto amin’ny kaominina. Narahina dihy sy fampisakafoanana katsaka ho an’ny rehetra izany » hoy ny tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Tena mahafinaritra ny fotoana tahaka izao satria mba fiomboan’ny rehetra. Ankoatra izay, mba fotoana iarahan’ny fianakaviana rehetra, miara-miala voly » hoy i Lalaina, renim-pianakaviana.

Tao anatin’ny filaminana sy ny fifaliana no niatrehan’ny mponina ny fety tao an-toerana. Afa-po ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. Zava-dehibe ho an’ireo farany tokoa izany satria nanasongadina ny soatoavina Malagasy, dia ny firaisan-kina, izay antoky ny fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire