Rugby : Misy karazany ity lalao ity
Misy karazany maro ny lalao « Rugby ». Isan’izany ny « rugby à XV » na « rugby union » izay be mpahafantatra say malaza indrindra eran-tany. Ekipa roa misy mpilalao 15 avy miampy mpisolo toerana no milalao azy ary isany mampiavaka azy ny « mêlées » sy ny « touches ». Isa 5 kosa no azo amin’ny « essai » iray. Isa 3 kosa no azo amin’ny « drop » sy ny « pénalité ».
Ankoatran’io dia misy ihany koa ny « beach rugby » izay atao eny amin’ny fasika, ekipa roa misy olona 5 avy no milalao azy ary misy fepetra efa mipetraka izy saingy mety miova araky ny lalao izao. Tsy voatery efa mpilalao matihanina kosa no milalao azy.
Eo ihany koa ny « rugby à XII » na « rugby league ». Fanatanjahantena iarahan’ny ekipa roa misy mpilalao 13 avy ary atao an-kianja. Tsy mifanalavitra amin’ny « rugby à XV » ihany izy io saingy tsy misy « ruck ». Nosoloina « remise en jeu » tsotsotra antsoina hoe « tenu » izany, ny tanjon’io dia mampiditra ny baolina eo anelanelan’ny tongotry ny mpanafika ahazoana « remise en jeu».
Misy ihany koa « rugby à 7 » izay tsy mifanalavitra amin’ny « rugby à XV ». Olona 7 isaky ny ekipa no milalao azy. Izy karazany iray ity no tsara indrindra ho an’ireo tsy milomanao ao amin’ny tontolon’ny rugby (novice). Nampidirina tao amin’ny fanatanjahantena olympika ny taona 2016 kosa izy io.
Farany ny « Le Touch » izay misy ekipa roa hatrany ary misy mpilalao 6 avy. Ny tanjon’ity lalao ity dia mikitika ny mpifaninana na ny baolina. Tsy azo ekena amin’ity karazany iray ity ny fikitihana feno herisetra sy ny « plaquage » ary azo lalaovin’ny vavy sy ny lahy miaraka izy, izay mampiavaka azy amin’ireo karazany rehetra teo aloha.
