Alasora: Mihaino ny hevitry ny vahoaka ny Kaominina
Miantso ny olona manan-kolazaina mikasika ny fitaterana ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. Vao herinandro lasa no nisy ny fifanangonan-tsonia nataon’ny mponina mangataka ny hisian’ny kaoperativa hafa. « Miantso antsika rehetra manan-kolazaina sy fitarainana mahakasika ny fitanterana eto amin’ny kaominina Alasora. Ety amin’ny Kianja maitso ny Asabotsy 09 Aprily 2022 amin’ny 10 Ora maraina ny fotoana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. » Tena mahay mihaino ny mponina tokoa ny Kaominina. Tena ilaina ny fifanakalozan-kevitra amin’ny vahoaka eny ifotony tahaka izao » hoy i Lanto, mponina ao Alasora. Betsaka tokoa ny fitarainana avy amin’ny mponina mikasika ny fitaterana. Eo ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra izay angatahan’ireo mponina kaoperativa hafa.
