ActualitésTsidika

Fahasalamana : Mitoetra ho laharam-pahamehana ny famongorana ny aretina raboka ho an’i Madagasikara

Anisan’ny mbola olana goavana ara-pahasalamana mbola matanjaka be ny raboka (tuberculose) eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao dia ny faritra Atsimo Andrefana sy Analamanga no tena ahitana izany betsaka. Maimaimpoana ny fandraisana antanana ity aretina ity kanefa mbola mampihena ny ezaka ny tsy fanarahan’ireo marary ny dingana fitsaboana rehetra. Mbola maro isan-taona ireo voan’ity aretina ary mety hiafara hatramin’ny fahafatesana mihitsy izany raha tsy mailo.

« Vinavinaina ho 233 ny olona voan’ity aretina ity amin’ny olona miisa 100 000. Araka izany dia efa maro ny ezaka natao hahafahana mamongotra azy saingy mbola maro ihany koa ireo olana izay tsy maintsy sedraina ka mananosarotra ny fahatrarana ny tanjona. Anisan’ny olana goavana ny tsy faharisihan’ny olona hanatona mpitsabo noho ny tsy fahampian’ny enti-manana; Eo ihany koa ny tsy fahalalana ny maha-maimaim-poana ny fitsaboana ity aretina ity. Farany amin’izany ny tsy fahavitan’ny marary hatramin’ny farany ny fitsaboana izay tsarina fa maharitra ela izany. Eo ihany koa ny tsy firaharahiana ny fanaraha-maso. Mbola betsaka ny lalana lalovana araka izany fa mijanona hatrany no zava-dehibe ny fitsaboana sy famongorana io aretina io eto Madagasikara », hoy ny avy ao amin’ny OMS eto Madagasikara.

Ankoatra ny OMS dia efa maro ihany koa ireo fikambanana sy hetsika isan-karazany hiadiana amin’izany aretina izany. Toy izany ny hetsika « caravane médicale » izay natao tamin’ny faritrta maro. Manome fitiliana ny aretina sy manolotra fanafody izy ireo. « Anisan’ny hetsika iray natao indrindra hanampiana ny tsirairay ity hetsika ity ka efa maro ireo nisitraka fanafody miady amin’io aretina io nandritra ny caravane médicale rehetra », hoy ny avy ao amin’ny Association Fitia, mpikarakara ny hetsika.

Areti-mifindra ny raboka ka tokony hikarohana vahaolana malay ho an’ireo izay tratran’izany aretina izany mba tsy ihombony. Mairhina fa aretina azo sitranina tsara ity aretina ity saingy maharitra ela kosa ny fitsaboana fa maimaimpoana. Raha tsiahivina dia aretina anisan’ny mamono hatramin’ny 10% amin’ny ankizy maneran-tany ity aretina karaka izany dia efa maro ny toerana afaka mandray izany ka sarobidy ny aina, manatona mpitsabo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire