Talata Volonondry: Notolorana jiro ny fokontany Falimanjaka
Mitohy hatrany ny ezaka fanomezana jiro lampadaire an’ny mponina, izay entina manazava ny tanàna ataon’ny kaominina Talata Volonondry. Tao amin’ny fokontany Falimanjaka indray no nahazo ny anjarany, izay natolotry ny ben’ny tanàna ao an-toerana ny alarobia teo.
« Tahaka ireo ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fanomezana jiro manazava ny tanàna dia nahazo ny anjarany ihany koa ny mponina teto amin’ny fokontany Falimanjaka. Rehefa mazava ny tanàna dia misy ny fandrosoana ary manentana ny mponina mba ho sarotiny ka hikojakoja ny fananana iombonana » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Hisaorana ny tomponandraikitry ny kaominina fa efa ela no niandrasana ny fametrahana ny jiro izao ny mponina. Mba hitondra filaminana sy fandriampahalemana eo amin’ny vahoaka ny fametrahana izany » hoy ireo solo-tena avy amin’ny fokontany.
Taratry ny fandrosoan’ny kaominina tokoa ny fananana hazavana. Ankoatra ny hazavana anefa ilaina hatrany ny mamaly ny filàn’ny vahoaka eny ifotony toy ny fahafahana mahazo rano, lalana ary mandry fahalemana mba tena hisy fandrosoana tokoa.
Manitra R.
