Melaky : Zava-dehibe ny fiarovana ny hazo
Nijery ireo tahirin-kazo izay tantanin’ny VOI Manomba, ao amin’ny Fokontany Beraketa sy Amboanio ny delegasiona niaraka tamin’ny lefitry ny ben’ny tanànan’i Bebaboka. Tsy misy hazo vao notapahana tamin’ireo tahirin-kazo.
« Nisy ny gaboraraka tao amin’ny fokontany Ankorovahiny Bebaboka. Toerana famoahana hazo antsokosoko makany Mahajanga izy io » hoy ny ben’ny tanàna ao Bebaboka. « Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny hazo ny fisian’ny VOI. Tsy nisy VOI tao amin’içty Fokontany ity. Efa napetraka kosa ankehitriny ny komity miaro ny fitrandrahana hazo sy mijery ny famoahana hazo tsy ara-dalàna » hoy ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ao Melaky. « Mandray anjara amin’ny fiarovana ny hazo sy ny ala ihany koa izahay eto amin’ny Zandariamariam-pirenena » hoy ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana. Hazo 283 tsy ara-dalàna no tratra nandritra ity fitsirihana ity.
Zava-dehibe amin’ny tontolo iainantsika ny hazo. Tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny fiarovana izany.
Nicole Rafalimananjara
