ActualitésTatitra

La Réunion : Tsy mahery setra ny natioran’ny biby tena atahorana

Nametraka teboka maromaro mahakasika ny tahotra biby sasantsasany tsara ho fantatra ny talen’ny Zoo Parc ao La Réunion, Bernard Gougache. Anisan’ny biby maro mpankahala sy atahorana ny bibilava. Tsy mahery setra nefa ny voajanahariny hoy i Bernard Gougache. Miaro tena izy rehefa mahatsapa loza manambana na noana fa amin’ny ankapobeny dia mitsaoka sy mitady toeram-piafonana izy hoy izy.Anisan’ny ankahalaina ihany koa ny vorondolo sy ny voalavo hoy i Bernard Gougache. Malaza ho vorona milaza loza ary voalikilika toy ny bibilava ny vorondolo. Ny olombelona anefa no manaratsy ireo biby ireo hoy ity talen’ny Zoo Parc ity ary nanamafy izy fa tsy misy mahery setra voajanahary ireo. Biby maranin-tsaina ary mivoatra manaraka ny toetr’andro ny voalavo hoy izy hatrany.

Laisser un commentaire