ActualitésTatitra

Etats-Unis : Kambana teraka volana sy taona samihafa

15 minitra no elanelam-potoana nahaterahan’i Alfredo Antonio, lahikely sy Aylin Yolanda, vavikely tao Californie. Tsy teraka volana sy taona iray nefa ireo kambana mianadahy ireo rehefa samy nijonana sivy volana tao an-kibon-dreniny.Teraka ny 31 desambra 2021 tamin’ny 12 ora alina latsaka fefany ny lahikely raha teraka ny figadonan’ny 1 janoary 2022 mihitsy ny vavikely. Hafakely hoy ny renin’izy ireo Fatima Madrigal izany manana kambana tsy mitovy daty naterahana izany saingy faly izy fa nanamarika ny tantara ny zanany.

Laisser un commentaire