Tanzanie : Nodimandry ny filoha John Magufuli.
Nodimandry teo amin’ny faha-61 taonany, ny alarobia 17 martsa teo ny filoham-pirenena tanzaniana, John Pombe Magufuli na ihany koa i Bulldozzer rehefa nitondra an’I Afrika Atsinanana nandritra ny 5 taona mahery. Lany tamin’ny taom-pitondrana faharoa I Magufuli ny volana oktobra 2020. Ny faraparan’ny volana febroary teo no efa tsy hita firy teo amin’ny sehatry ny politika intsony izy. Nisy arak’izany ny tsaho niely nahakasika ny tsy fahasalamany. Nambaran’ny filoha lefitra, Samia Suhulu Hassan fa nanana olana teo amin’ny fony nandritra ny 10 taona Andriamatoa Magufuli. Niditra tao amin’ny ivontoeram-pitsaboana ny fo tao Jakaya Kikwete, ao Dar es Salaam izy ny 6 martsa lasa teo saingy nivoaka ny ampitson’iny ihany. Niverina kosa ny tsy fahasalamany ny 14 martsa ka nentina tao amin’ny hopitalim-panjakana Emilio Mzena indray izy. Raha araka ny lalàna tanzaniana, I ramatoa Hassan no vehivavy handray ny fitondrana voalohany teo amin’ny tantaran’I Tanzanie. Misaona mandritra ny 14 ny firenena amin’izao fotoana.
