Japon : Nametra-pialana ny talen’ny zava-kanto amin’ny JO any Tokyo
Nanambara ny fametraham-pialany, ny alakamisy 18 martsa, ny talen’ny zava-kanto misahana ny fetin’ny fanokafana sy ny famaranana ny lalao olympika an’I Tokyo, Hiroshi Sasaki. Fanehoan-kevitra nataony manohitohina mpanentana japonais, amin’ny haino aman-jery, ka nivoaka tamin’ny gazety no antony nanapahany hevitra hiala amin’ny andraikitra maha talen’ny zava-kanto mandritra ny lalao olympika azy. Efa tamin’ny taon-dasa no nanehoan’Andriamatoa Sasaki ilay hevitra saingy navohitry ny gazety iray tao an-toerana izany ny alarobia 17 martsa lasa teo. “Tokony manao akanjo miendrika kisoa I Naomi Watanabe mandritra ny fetin’ny fanokafana ny lalao olympika.” Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Sasaki. Somary misimisy vatana rahateo I ramatoa Watanabe. Niala tsiny tanteraka ny amin’ny zavatra noteneniny araka izany I Hiroshi Sasaki. Hisy ny fivoriana hataon’ny Tokyo-2020 ny alakamisy 18 martsa, handinihina mahakasika ny raharaha rehetra mifandray amin’ny lalao olympika.
