SocialTsidika

Olona nisy namono indray tao Mahajanga

Nahitana vatana mangatsiaka-na lehilahy iray, teratany vahiny tao Amborovy Mahajanga ny marainan’ny alakamisy 30 septambra 2021. Raha ny fizahana ny razana dia nisy namono ity lehilahy ity ka narian’ireo namono azy tao Manapatanana. Tsy niandry ela ny mpiasan’ny BMH fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana naka ny razana.Raha tsiahivina dia vao herinandro lasa izay no nisy olona maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tany amin’ny faritra atsimo atsinanana iny.Hoy i Nivo, anisan’ny nanatrika ny fampiakarana ilay razana « manomboka ratsy laza ity faritra ity, mety anto’izany ny fitomboan’ny olona eto izay tsy mitsahatra miha­-haingana hatrany ».Nilaza ny tompon’andraikitra tany an-toerana fa hanokatra fanadihadiana hikarohana ny nahavanona ny loza.

Aurélien Tsitarihina

Laisser un commentaire