Covid-19: Nahazo vaksiny 336 000 indray i Madagasikara
Mitohy hatrany ny fandraisan’i Madagaiskara ireo fatram-vaksiny avy any ivelany. Vaksiny Johnson&Johnson miaro amin’ny coronavirus no nomen’I Etats-Unis. « Novidianay ireto vaksiny ireto ary nomena ny firenena Malagasy. Hanohana sy hanome vaksiny ho an’ny Madagasikara hatrany i Etats-Unis » hoy ny Masoivohon’i Etas-Unis eto Madagasikara. « Manohana hatrany ny Amerikanina. Entanina hatrany ihany koa isika hanao vaksiny hiadiana amin’ny aretina » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Betsaka tokoa ny fatran’ny vakisny voarain’ny firenena kanefa mbola ambnay ny tahan’ny olona vita vaksiny. 1 027 827 ireo olona vita vaksiny feno izay 3,81% amin’ny olona kinendry raha ny tatitra navoakan’ny fanjakana Malagasy ny 13 Martsa 2022 lasa teo.
Nicole Rafalimananjara
