Mahajanga : Nangataka ny vatsim-pianarana enim-bolana sy ny fampitaovana ireo mpianatra
Nanatanteraka fitokonana indray koa ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Mahajanga ny 21 Martsa 2022. Vatsim-pianarana 6 volana sy ny fampitaovana no notakian’izy ireo.
« Nivoaka ny faritry ny Oniversite ihany koa ny mpianatra tao Mahajanga taorain’i Fianarantsoa sy Antananarivo. Nandoro kodiarana teo amin’ny vavahady fidirana ao amin’ny Oniversite ireto mpianatra » hoy ireo mponina teny amin’ny manodidina. « Enim-bolana izay nianarana kanefa mbola tsy voaray foana ny vatsim-pianarana. Tsy maintsy mangataka foana izany vao mahazo kanefa efa ao anatin’ny teti-bola ho an’ny mpianatra ilay izy » hoy i Jeannot, mpianatra ao amin’ny Oniversite Mahajanga.
Tony tsara ihany aloha teny an-toerana na dia nihodina ny faritra aza ny mpitandro filaminana. Marihina fa efa eo an-dalam-panamafisana ny momba ny mpianatra tsirairay ny tompon’andraikitra ao amin’ny Oniversite amin’izao. Efa tonga any an-toerana ny karatra fandoavana ny E-poketra ka ny alatsinainy izao no hizarana izany.
Nicole Rafalimananjara
