Lalaon’ny nosy 2023 : Ho atao eto Madagasikara
Ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 amin’ny taona 2023 no andraikitra lehibe miandry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Tinoka Roberto. Ny volana aogositra 2023 no hanaovana izany lalao izany teto Madagasikara.
« Mila manangana foto-drafitr’asa vaovao handraisana izany lalao izany isika. Tsy ampy ny « gymnase » misy eo Mahamasina sy Akorondrano. Kianja mahazaka olona hatrany amin’ny 40 000 no ilaina hatsangana. Hisy ny fampivoriana ireo filohan’ny federasiona rehetra ny herianndro ho avy » hoy ny minisitra Tinoka Roberto.
« Raha ny foto-drafit’rasa, kianja manara-penitra 30 sy kianja mitafo 18 no efa vita sy andalam-pahavitana. Nisy ireo niadana ny fanaovana ny asa. Hojerena akaiky ny famitana izany haingana nanomboka ny herinandro ho avy » hoy hatrany ny Minisitra. Marihana fa ny fananan’i Madagasikara ireo foto-drafitr’asa maro ara-panatanjahantena no anisan’ny naharesy lahatra ny Comité Internationale de Jeux (CIJ) ny hanaovana ny lalao teto amintsika raha i Maldives no tokony handray izany.
